Ny andian-teny latina hoe Sola gratia, izay midika hoe "amin'ny alalan'ny fahasoavana irery", dia enti-manondro ny ainga fototra kristiana izay milaza fa ny famonjena ny fanahin'ny olombelona dia amin'ny alalan'ny fahasoavana irery ihany, izany hoe amin'ny alalan'ny sitrapon'Andriamanitra irery ihany. Ny teolojiana miteny malagasy dia mandika an'io andian-teny latina io hoe "Fahasoavana irery ihany".
Tsy mendrika ny famonjena azony avy amin' Andriamanitra ny olombelona, nefa nomen'Andriamanitra azy maimaimpoana amim-pitiavana izany. Izany koa no mahatonga ny olona ho afaka mitia. Ny maha izy azy ny olona iray eo anatrehan'Andriamanitra dia tsy miankina amin'ny fitiavany an'Andriamanitra na noho ny toetra tsara ananany na ny fahamendrehany na ny toerany eo amin'ny fiarahamonina.
Ity foto-pampianarana ity dia nipoitra avy amin'ny hevitr'i Aogostino ny amin'ny famonjena ny fanahin'ny olombelona, famonjena izay tsy afaka ho avy tokoa raha tsy amin'ny fanapahan-kevitr'Andriamanitra, satria Andriamanitra dia mahefa ny zava-drehetra sy mahalala ny zava-drehetra.
Niezaka ny tsy hanala tao amin'ny teolojiany ny fahafahan'ny olombelona izay miseho amin'ny alalan'ny finoana sy ny asa anefa i Aogostino [1]na dia mihena dia mihena kely ny fahafahan'ny olombelona misafidy noho ny fahotan'i Adama.
Nambaran'ny Fiangonana katolika tamin'ny Konsily faharoa tao Orange tao Frantsa tamin'ny taona 529 io ainga fototra io izay nanameloka koa ny petrakevitry ny fanendrena rahateo ny ho voavonjy sy ny tsy ho voavonjy. Ao amin'ny protestantisma dia iray amin'ireo andian-teny fototra dimy manomboka amin'ny hoe Sola ny Sola gratia.